Nitondra fanampiana maro toy ny sakafo sy fitaovana ary lelavola ho azy ireo ny tenany. Nisongadina tamin'izany fa ao anaty voina toy izao no ahitana ny tena namana sy ny tena Ray aman-dreny satria ny Fitondrana dia akaiky ny vahoaka araka ny fanambaran'ny Filoha.
Mahatsiaro manana Ray amandreny ireo olona traboina ireo ary naneho ny hafaliany sy ny fisaorana tamin’ny fahatongavan’ny Filoha teny an-toerana.
Minisitera maro sy sampan-draharaha maro eto amin'ny Firenena no miara-mientana amin'izao famonjena ireto tra-boina ireto ary anisan'izany ny ato amin'ny Faritra Analamanga raha vao niseho ny voina ka nanatitra fitaovana sy fanampiana ho azy ireo.
Voin-kava-mahatratra tokoa ka vonona hatrany ny Faritra Analamanga hanampy azy ireo hoy kosa ny fanambaran'ny Governoran'Analamanga.