Didim-panjakana laharana 2024-020, tamin'ny 14 janoary 2024

Manendry ireo mpikambana ao amin'ny governemanta

Notendrena androany 14 janoary 2024 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo Minisitra handrafitra ny Governemanta vaovao. Hentitra ny safidy amin'ireo Minisitra ireo hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina satria ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izay miandrandra fandrosoana aingana sy maharitra no natao laharam-pahamehana. Nanao fianianana teo imason’ny vahoaka moa ireto Minisitra ireto hanatanteraka an-tsakany sy an-davany, amim-pahamarinana sy am-pahitsiana ny asa izay hosahaniny. Ary indrindra tsy hanao kolikoly, na amin'ny endriny inona na amin’ny endriny inona fa hikatsaka hatrany ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny tombontsoan’ny besinimaro, ary raha tsy mahatanteraka izany fanekena nataony izany, dia hametra-pialana avy hatrany. Nitso-drano azy ireo ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny andraikitra lehibe miandry azy ireo, ary koa hanatanteraka ny fampandrosoana izay andrasan’ny firenena amin'izy ireo ao anatin’ny mangarahara sy ny drafitra efa napetraka.

>>>