Mihazakazaka ny Fampandrosoana hoy ny Filoha Rajoelina
Mihazakazaka ny asa fampandrosoana ny firenena. Isika no nanomboka, isika no mamarana ary ny vahoaka manontolo no misitraka. Nisongadina ireo tamin'ny lahatenin'ny Filoha Andry Rajoelina tamin'ny fitokanana ny lalambe mikodana "Rocade d'Iarivo" ny alakamisy 24 Jona 2021.
Ny volana desambra 2011 raha nitsidika tany Frantsa ny Filohan'ny Tetezamita tamin'izany fotoana izany, Andry Rajoelina, ka nihaona tamin'ny Filoha Frantsay Nicolas Sarkozy, dia nanamafy ny fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny Agence Française de Développement ka voasoritra tamin'izany ny famatsiam-bola hanatanterahana ity tetikasa ity. Folo taona aty aoriana, amin'izao fitondran'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina izao dia vita tanteraka ny asa. 8.2km ny halavany ary nandaniana vola 62.8 tapitrisa Euros. Namatsy vola kosa ny Fanjakana Malagasy, ny Agence Française de Développement, ny Banque Européenne d'Investissement ary ny Union Européenne.
ROCADE D'IARIVO, 24 JUIN 2021
Hampiova ny fiainan'ny mponina
Fotodrafitrasa manaraka ny toetrandro tanteraka no natsangana, hoy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina satria ny Tanànan'Antananarivo dia natokana honenan'ny mponina 3 hetsy tany am-boalohany. Ankehitriny anefa dia maherin'ny 3.600.000 ny olona monina sy mivezivezy ao. Efa tery tanteraka noho izany ny tanàna ka tsy maintsy napetraka ny vina hanitarana ny tanàna sy hampirindra ny fifamoivoizana ka isan'izany ny fanamboarana ny "Rocade d'Iarivo". Hanova ny fiainan'ny mponina eto Antananarivo sy ny ato amin'ny Faritra Analamanga ny fahavitan'ity fotodrafitrasa ity ary ho lalana mampiray ny Nosy manontolo. Mihazakazaka tokoa ny asa fampandrosoana ka nampahafantarin'ny Filoha tamin'ity fotoana ity ihany koa fa efa manomboka izao ny asa fanatanterahana ny "Train urbain sy ny téléphérique" ho an'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra.
Taorian'ny fitokanana dia nizotra namakivaky ny lalambe ny Filoha sy ireo manam-pahefana sy olo-manankaja maro ka nitafa sy nifampiarahaba tamin'ireo mponina mponina manamorona ny arabe. Isan'ny nihaona taminy tamin'izany ny Môpera Pedro Opeka izay naneho ny fisaorana ho an'ny Filoha sy ny Fitondram-panjakana manontolo. Nahazo fitsinjovana manokana tokoa ny toby Akamasoa tarihin'ny Môpera Pedro satria nanaovana tetezana fiampitana eo ambonin'ny arabe ho an'ireo mpianatra sy mponina tsy maintsy hiampita ity lalambe ity.
ROCADE D'IARIVO, 24 JUIN 2021