Tatitry ny Filankevitry ny Minisitra , Alarobia 11 janoary 2023

Mialohan’ny fandinihana ireo laha-dinika efa voaomana, dia nitondra resaka mikasika ny fanaparitahana vaovao tsy marina izay miha-mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Rehefa natao ny fanamarinana sy ny fanangonam-baovao rehetra, dia tsy marina velively ny filazana fa misy fivarotan-janaka noho ny fahasahiranana any amin’ny Kaominina sasany any amin’ny distrikan’Ikongo.
Tsy mifanaraka velively amin’ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy rahateo koa izany mivaro-janaka izany na inona na inona tranga mety misy, ka melohina tanteraka ny tetikady politika maloto izay ampiasaina, dia ny fanelezana tsaho handemena ny saim-bahoaka sy hanohitohinana ny filaminana anatiny ankehitriny. Efa nanokatra ny fanadihadiana hahitana izay mety nipoiran’izany fanelezana tsaho izany ny avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao, ka mila handraisana fepetra hentitra izay fototra niaingan’ny vaovao tsy marina miteraka fanakorontanana. Manentana ny olom-pirenena rehetra koa ny Filan-kevitry ny Minisitra mba ho mailo tanteraka satria hita taratra fa ho fitaovam-piadiana politika eo am-pelatanan’ireo mpanao politika sasantsasany, izay mety tsy ampy hevitra hotohanana, ny famoronana vaovao tsy marina sy fanelezana tsaho.


>>>