Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 18 janoary 2023

Nisy ireo fampitana am-bava samihafa izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 18 janoary 2023. Anisan’izany :

• Ny handraisan'i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta aty Afrika mikasika ny fambolena sy ny sy fanodinana voka-pambolena izay hatao any Dakar Sénégal, ny 25 ka hatramin’ny 27 janoary 2023.

• Ny fanomezana alalana mialoha (autorisation d’engagement préalable) amin’ny asa fanamboarana rehetra amin'ireo lalam-pirenena, tsy hanaraka ny pitsopitsony mahazatra takiana amin’ny maha-tsenan’asam-panjakana azy.

• Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny didim-panjakana mampiakatra ny tambin-karaman’ny Sefo Fokontany sy ny Lefiny, araka ny efa nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny lahateny nataony tamin’ny faran’ny taona 2022.


>>>