Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 02 aogositra 2023

Notanterahina androany 02 aogositra 2023 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Filankevitry ny Minisitra Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina toy ny::

• Fanatanterahan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina mivady ny fitsidihana ofisialy any amin’ny Repoblikan’i Rwanda ny 07 sy 08 aogositra 2023 ho avy izao .

• Ny hanatanterahana ny Fikaonan-doha iraisam-paritra mikasika ny fiarovana sy ny fandriam-pahalemana andiany voalohany, izay hatao ny 03 sy 04 Aogositra 2023 any Morondava, faritra Menabe.

• Ny hanaovan’i Madagasikara ny dingana ofisialy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fitsarana, hamerenana ny volamena milanja 49 kilao, izay naondrana an-tsokosoko ka tratra tatsy amin’ny Nosy Comores.


>>>