Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 09 aogositra 2023

Notanterahina ny 9 aogositra 2023 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Filankevitry ny Minisitra Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina toy ny:

• ny hirosoana amin’ny fandinihana ny fifanaraham-piarahamiasa amina fikambanana iraisam-pirenena antsoina hoe « Sea Shepherd » na « Berger de la Mer » mba hametrahana fanarahamaso ny fari-dranomasintsika mirefy 1.141.000 km.

• ny tetibola hanamboarana ny ampahan-dalana amin’ny lalam-pirenena RN 58 mandalo eo Ankadimbahoaka, Fasan’ny Karana ka mipaka eo amin’ny tobin-tsolika JOVENNA Anosizato.


>>>