Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 05 aprily 2023

Anisan'ireo fampitana am-bava nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 05 aprily 2023 teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny :

• fanovana ny dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny fampiasana ny tetibolam-panjakana ho fanatsarana sy fanafainganana ny fikirakirana ny antotan-taratasim-panjakana amin’ny fandaniam-bolam-panjakana.

• ny fanamboarana ny fitsinjarana ny tetibola azon’i Madagasikara tamin’ny fandaharanasa fampandrosoana ny sehatry ny fambolena (Développement des filières agricoles Inclusives-DEFIS) izay vatsian’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana ny Fambolena.

• ny handraisan'ny Fanjakana Foibe an-tanana ny fanamboarana ireo lalana tena ratsy eto Antananarivo, izay fantatra ny fiantraikany amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, manampy trotraka rahateo ny vanim-potoanan’ny orana ankehitriny ka mety hahatapaka tanteraka ny lalana mihitsy. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, araka izany ihany koa, ny hirosoana amin’ny fanaovana tsenan’asam-panjakana «appel d’offres restreint» noho ny hamehana, mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpampiasa lalana.


>>>