Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 19 aprily 2023

Anisan'ireo fampitana am-bava nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina ny 19 aprily 2023 teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny :

• Fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana an-tampony ny Filoham-panjakana sy ny Lehibena Governemanta ao anatin’ny Vondrona COMESA (Marché Commun de l’Afrique Orientale et Australe) andiany faha-22, ny 08 jona 2023 any Lusaka, Zambie.

• Ny hikarakarana fifampidinihana (dialogue) amin’ny fanatanterahana ny drafi-pifaninanana (procédures compétitives) mba hahitana vahaolana maika sy maharitra ahafahana manarina ny orinasa SECREN any Antsiranana.

• Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny pitsopitsony amin’ny maodely ara-toekarena amin’ny firosoana amin’ny fametrahana ny Bankin’ny Paositra (Banque Postale).


>>>