Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 26 aprily 2023

Anisan'ireo fampitana am-bava nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina ny 26 aprily 2023 teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny :

• Ny handraisan’i Madagasikara ny Filankevitry ny Minisitry ny firenena mpikambana ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI) andiany faha-37. Izany dia hatao eto Antananarivo ny 17 May 2023 ho avy izao.

• Ny tetiandro entina manomana ny lalàna fototra mifehy ny teti-bola taona 2024 (LFI 2024).

• Ny hanomezana sarany manokana (tarifs préférentiels) amin’ny fanjifana herinaratra amin’ny orinasa JIRAMA, ho an’ireo orinasa indostrialy lehibe ara-stratejika misahana ny famokarana lamba, ny famokarana simenitra, ny fanodinana vy ary ny famokarana sy fanodinana akora simika. Araka ny lisitra nomen’ny Vondron’orinasa GEM sy SIM ny GEFP ary ny SEBTP dia miisa 19 izy ireo.


>>>