Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 20 Desambra 2023

Androany 20 desambra 2023 ny Filankevitry ny Minisitra voalohany notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA, amin’ity fe-potoam-piasany vaovao ity. Nohamafisin’ny Filohan’ny Repoblika ireo andry telo (03) goavana hiorenan’ny fomba fitantanana ny firenena ao anatin’ity fe- potoam-piasana vaovao ity:

• Ny fampandrosoana ny maha-olona sy ny fanaovana laharam-pahamehana ny lafiny sosialin’ny vahoaka malagasy

• Ny fampiroboroboana ny indostria sy ny famoronana asa

• Ny fametrahana fanjakana tsara tantana amin’ny alalan’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny asam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly.

Maro araka izany ny fiovàna sy rafitra vaovao izay hatsangana mifanaraka amin’ny fanatanterahana ireo andry telo hitondrana ny firenena ireo, mba ahafahana manafaingana ny asa ihany koa.
Fepetra hentitra maromaro no noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra androany, hanamarihana izay fanombohan’ny fepotoam-piasana izay ary hanamarika ny drafitr’asa 100 andro voalohan’ny fitondran’ny Filohan’ny Repoblika.

>>>