Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 05 jolay 2023

Notanterahina androany 05 jolay 2023 ny Filankevitry ny Minisitra izay nankatoavana ireo fampitana am-bava samihafa toy ny:

• Fandraisan'i Madagasikara anjara amin'ny fivoriana ara-potoanan’ny Filankevitra mpanatanteraky ny Vondrona Afrikana, andiany faha-43 izay hotanterahina any Naïrobi Kenya, ny 13 sy 14 Jolay 2023 ho avy izao.

• Ny fanombohana ny asa fanamboarana ny Anjerimantolon’i Maroantsetra (campus universitaire).

• Ny fanatontosana ny atrikasa hakana ny hevitry ny besinimaro mikasika ny fanondranana henomby, ny 06 ka hatramin’ny 10 Jolay 2023.


>>>