Tatitry ny Filankevitry ny minisitra manokana, Zoma 07 jolay 2023

Nisy ny Filankevitry ny Minisitra manokana notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, natrehin’Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta sy ny Minisitry ny Asa vaventy, ary ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny maha-mpitondra tenin’ny Governemanta azy.

Ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN2, RN4, RN6, RN7, RN9, RN11 ary RN14 sy ny lalana eto Antananarivo Renivohitra no laha-dinika tamin’izany.


>>>