Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 12 jolay 2023

Notanterahina androany 12 jolay 2023 ny Filankevitry ny Minisitra izay nankatoavana ireo fampitana am-bava samihafa toy ny:

• hampiasaina ny ampahany amin’ny tetibolan’ny Minisiteran'ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana amin’ity taona 2023 ity, mba hividianana fitaovana teknika sy fampitaovana ara-indostria mikasika ny fananganana orinasa fitotoam-bary, sy orinasa mpanao savony

• ny fampiasana dingana maika (procédure d’urgence) amin’ny tsenan’asam-panjakana, mikasika ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo sy ny fanohizana ny fanamboarana ny ampahan-dalana ao anatin’ny lalam-pirenena faha-2.


>>>