Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 21 jona 2023

Notanterahina androany 21 jona 2023 ny Filankevitry ny Minisitra izay nankatoavana ireo fampitana am-bava samihafa toy ny:

• fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Fihaonana an-tampony mikasika ny fifanarahana ara-bola vaovao maneran-tany na «Nouveau Pacte Financier Mondial» izay hotanterahina ny 22 ka hatramin’ny 24 Jona 2023 any Paris, France

• ny hirosoana amin’ny fanaovana sonia ny fifanarahana vaovao eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa mpitrandraka fasimainty QIT Madagascar Minerals (QMM S.A) any Tolagnaro.


>>>