Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 28 jona 2023

Notanterahina androany 28 jona 2023 ny Filankevitry ny Minisitra izay nankatoavana ireo fampitana am-bava samihafa toy ny:

• ny fananganana foibe tokana “guichet unique” eo anivon’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola hikirakirana ny antontan-taratasim-panjakana amin’ny fanatanterahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena.

• ny hamaranana ny dingana handraisana manam-pahaizana iray izay hisahana ny fanarenana maika ny orinasa JIRAMA. Hiandraikitra ny toeran’ny «manager de redressement» izany tompon’andraikitra izany, izany hoe hanao izay fomba rehetra hamahana ny krizy lalina amin’ny fomba fitantanana eo anivon’ny orinasa ao anatin’ny fotoana voafetra

• ny firosoana amin’ny dingana hisitrahan’i Madagasikara ny vola azo avy amin’ny «CRÉDIT CARBONE REDD+» mitentina 50 tapitrisa dolara USD.


>>>