Tatitry ny Filankevitry ny Minisitra , Alarobia 03 may 2023

Talohan’ny nirosoana tamin’ny laha-dinika voafaritra, dia nandray fitenenana tamin’ny anaran’ny Governemanta Malagasy Andriamatoa Praiminisitra niarahaba an’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika tamin’ny nahavoahosotra azy ho « mpanorina lehibe aty Afrika » ka nahazoany ny loka « Babacar Ndiaye » avy amin’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) ho an’ny taona 2023. Ny Filoha Andry RAJOELINA no Filoham-pirenena afrikana faha-8 nahazo an’ity loka ity. Reharehan’ny firenena Malagasy iray manontolo izany satria loka iraisam-pirenena, tsapa manerana ny kaontinanta afrikana ny maha-mpanorina lehibe an’Andriamatoa Filoha, nisy ny fanadihadiana matotra sy ifotony nataon’ny BAD mialohan’ny nanapahany hevitra.
Ankoatra ireo fanamboaran-dalana lehibe mampifandray ny firenena iray manontolo, tahaka ny RN5A, RN44, RN13, RN31, RN10, izay na efa vita na an-dalam-panamboarana dia nisongadina tamin’ny ezaka nataon’Andriamatoa Filoha ihany koa ny fampifandraisana ny any ambanivohitra, tamin’ny fanajariana sy fanamboarana ny lalana any amin’ny faritra ambanivohitra ka nanomezana ireo fitaovana fanamboaran-dalana isam-paritra.
Fa ivelan’ny lalana dia fotodrafitrasa maro tsy hary voatanisa no natsangan’Andriamatoa Filoha tao anatin’izay 4 taona mahery nitantanany ny firenena izay, tahaka ny kianja Barea Mahamasina, ny tetikasa teleferika izay efa an-dalam-panatanterahana ankehitriny, ny toby miaramila sy zandary entina miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, ny biraon’ny polisim-pirenena isam-paritra sy ny kaomisaria isaky ny tanàn-dehibe, ny toeram-ponenana (logements sociaux), ny kianja manara-penitra isam-paritra, ny hopitaly manara-penitra, ny sekoly maro, ny tobim-pialan-tsasatra eny amin’ny lalam-pirenena, ny toeram-piseharana ara-kolontsaina sy ny sisa maro. Voamarina tsara araka izany ny fanorenana rehetra nataon’Andriamatoa Filoha ka mampitombona ny fanosorana azy ho “mpanorina lehibe aty Afrika”.


>>>