Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 10 may 2023

Anisan'ny fampitana am-bava nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina ny 10 may 2023 :

• Ny fomba fiasa vaovao amin’ny fampiasana ny « fonds d’investissement social » izay andraisana ny vola tamberina avy amin’ny tetikasa Ambatovy.

• Ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny tambin’ny fanesorana ireo olona voakasiky ny tetikasan’ny Filoham-pirenena «train urbain» eto Antananarivo.

• Ny fampiasana ny tetibola mifandraika amin’ny fananganana ny tanàna vaovao any Amparehimahitsy Mahajanga sy Andranomena Toliara, mba ahafahana manomboka avy hatrany ny asa taorian’ny tolo-bidy amin’ny maha-tsenan’asam-panjakana azy.


>>>