Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 17 may 2023

Anisan'ny fampitana am-bava nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina ny 17 may 2023 :

• Ny hanomezana fankatoavana ara-dalàna na « ratification » an’ireo fifanarahana miisa efatra nifanaovana tamin’ny Fikambanana Iraisampirenena momba ny asa (OIT).

• Ny fampitana am-bava mahakasika ireo tetikasa tanterahina eny amin’ny Lalam-pirenena, izay tafiditra ao anaty ny fanatanterahana ny drafitr’asa napetraka tamin’ny volana martsa 2023.

• Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny didim-panjakana mamaritra ny karama farany ambany amin’ny fandraisana mpiasa sy ho an’ireo am-perinasa na « Salaires Minima d’Embauche et d’ancienneté » isaky ny sokajy arak’asa sy ny karama farany ambany isam-bolana na « Salaire Minimum Mensuel ».


>>>