Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 24 may 2023

Anisan'ny fampitana am-bava nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina ny 24 may 2023 :

• ny fanatanterahana ny andiany faha-11 amin’ny Fikaonan-dohan’ny mpiara-miombon’antoka, eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana, izay hotontosaina ny 20 jona 2023 ho avy izao ao amin’ny efitrano fivorian’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny etsy Anosy.

• ny fanomezan-dalana hiroso amin’ny fanaovana ny dingana ara-panjakana sy ara-bola hanomezana ny fanampiana hizakana ny tahirim-bola vonjy aina (fonds d’urgence) eny anivon’ny Hopitalim-panjakana (CHU).

• ny firosoana amin’ny fitakiana ny trosa tokony hiditra amin’ny orinasa JIRAMA teo anelanelan’ny 2018 ka hatramin’ny 2022.


>>>