Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 31 may 2023

Anisan'ny fampitana am-bava nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina ny 31 may 2023 :

• ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanondranana entana mankany ivelany, mikasika ny fandefasana ireo volamena hanamboarana ny vola volamena 50 ariary (pièce d’or) ho mari-pahatsiarovana ny faha-dimampolo taonan’ny Banky Foiben’i Madagasikara.

• ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana fifampiraharahana andiany faha-12 amin’ny fandalinana ny Fifanarahana fiaraha-miombon’antoka ara-toekarena (Accord de Partenariat Economique) UE-AfOA izay hatao any Bruxelles ny 26 ka hatramin’ny 30 Jona 2023 ho avy izao.

• Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny volavolan-drijatenin-dalàna miisa 3 entina mankatoa ara-dalàna ny fifanarahana avy amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny asa (OIT).


>>>