Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alakamisy 09 martsa 2023

Nisy ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 9 martsa 2023 tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha:

• Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany taorian’ny nanendrena ireo minisitra vaovao, dia nanolotra ny drafitr’asa heveriny fa laharam-pahamehana ao anatin’ny departemanta tantaniny ny minisitra tsirairay. Mamatotra ireo minisitra io drafitrasa laharam-pahamehana io izay tokony hotanterahina ao anatin’ny 6 volana ho avy. Minisitera 3 no nanomboka izany androany: ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany , ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana, ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo.

• Noraisina ihany koa ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-441 tamin’ny 30 martsa 2022 ary manendry an’ Andriamatoa FANOHIZA Claude, ho Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika.


>>>