Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 01 martsa 2023

Nisy ireo fampitana am-bava nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 01 martsa 2023. Anisan’izany:

• Ny fanatanterahana ny fanazaran-tena miaramila iraisan’ireo firenena sy Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (manœuvre militaire multinationale) « IVONDRO 2023 » izay hatao ny 29 aprily ka hatramin’ny 04 mey 2023 any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo.

• Ny hidiran’i Madagasikara amin’ny alalan’ny tahirimbolan’ny fisotroan-drononom-panjakana (caisses de retraites publiques) ao anatin’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fiarovana ara-tsosialy (AISS).

• Ny hanombohana ny tetikasa “TITRE VERT Menabe Antimena” ho an’ny famonjena ny faritra arovana Menabe Antimena, «réserve foncière» Bezeky, eo anelanelan’ny kaominina 2 dia i Befasy sy Analaiva.

• Ny hirosoana amin’ny fampidirina amin’ny sehatra manara-dalàna ireo mpanao asa tanana eto Madagasikara, izany dia taorian’ny fanisana nataon’ny Minisitera ka nahitana fa mahatratra 2 tapitrisa ankehitriny, izay mitsinjara amina karazana asa miisa 164, ireo mpanao asa tanana ireo.


>>>