Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 15 martsa 2023

• Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hikarakarana ny fihaonamben’ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany, « FORUM DE LA DIASPORA » andiany faharoa izay hotontosaina ny 28 ka hatramin’ny 30 Jolay 2023 eny amin’ny CCI Antananarivo

• Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanatanterahana ireo asa maika fanarenana ny tanànan’i Nosy Varika taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, ka hampidirana rano fisotro madio any an-toerana.

• Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA dia nanolotra ny drafitr’asa heveriny fa laharam-pahamehana ao anatin’ny departemanta tantaniny ny minisitra tsirairay. Mamatotra ireo minisitra io drafitrasa laharam-pahamehana io izay tokony hotanterahina ao anatin’ny 6 volana ho avy. Minisitera miisa 2 indray tamin’ity androany ity no nampahafantatra ny fandaharanasa laharam-pahamehana ho an’ny departemantany: ny minisiteran’ny asa vaventy sy ny minisiteran'ny fampiroboroboana sy ny fanovàna ara-haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra.


>>>