Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 22 martsa 2023

Anisan'ireo fampitana am-bava nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra notanterahina androany 22 martsa 2023 teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny:

• Fanemorana ny datin’ny fifaninanana hidirana ao amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny mpandraharahan’ny Fonja, mikasika ny fandraisana ireo mpianatra ho «agents pénitentiaires» sy mpianatra «greffiers comptables d’administration pénitentiaire».

• Ny fandaminana ny fandrafetana sy ny fizarana ny karatany miisa roa tapitrisa na 2.000.000 manerana ny Nosy, mifanaraka amin’ny lasitra araka ny lalàna mifehy ny fananan-tany any anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

• Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny didim-panjakana manamarina ny fahataperan’ny fepotoam-piasan’ny mpikambana teo anivon’ny Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit - HCDDED.


>>>