Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alakamisy 30 martsa 2023

Anisan'ireo fampitana am-bava nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra notanterahina androany 30 martsa 2023 teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny:

• ny hanatanterahana ny fihaonana ara-pandraharahana « Business Forum” ho an’ny Faritra Atsinanana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, andiany faha-2 ny 06 sy 07 Aprily 2023 any Toamasina, izay karakarain'ny EDBM.

• ny famerenana tsikelikely ny fandinihana ireo fangatahana ny fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany (permis miniers) izay mbola mihantona eo anivon’ny BCMM (Bureau du Cadastre Minier de Madagascar.

• ny fanafoanana ny fepetra nampihantona ny fanondranana ny volamena taorian’ny fampandaniana ny didim-panjakana mikasika ny fitantanana ny volamena (régime de l’or).


>>>