Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany alarobia 08 novambra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, natrehin’ireo minisitra isan-tokony, ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra, ny Sekretera Jeneraly Lefitra ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.