Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alakamisy 13 jona 2024

Manatanteraka fitsidihana amin'ny fomba ofisialy any Genève ny Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA rehefa nahazo fanasana manokana hanatrika ny Fivoriam-be iraisam-pirenena manamarika ny faha-60 taonan'ny vondrona CNUCED izay notanterahina ny faha-12 hatraminy faha-14 jona. Araka izany dia notanterahina tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny Filankevitry ny Minisitra, izay notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.


>>>