Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Alarobia 18 desambra 2024 ny Filankevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony. Ity Filan-kevitry ny Minisitra notanterahina androany ity ihany koa no Filan-kevitry ny Minisitra farany ho an’ity taona 2024 ity.