Notanterahina tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny Filan-kevitry ny Minisitra androany Alarobia 28 May 2025, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony. Mitarika ny delegasiona malagasy mandray anjara amin’ny fihaonambe ara-toekarena “Madagascar – Dubai Business Forum” ny Filohan’ny Repoblika, izay efa nahitana fahombiazana amin’ny fampiroboroboana ny fifandraisana eo amin’ireo mpandraharaha malagasy sy émiratis..