Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 17 Aogositra 2022

Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 17 Aogositra 2022. Anisan’izany ny:

• fanomezan’ny Fanjakana foibe fanampiana ara-bola manokana ho fanatanterahana ny fifaninanana handraisana mpianatra ho mpitsara miisa 100 eo anivon’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha na ENMG.

• ny hirosoana amin’ny fametrahana drafitr’asa (plan d’action) ho fanamafisana ny fisorohana ny lozam-piarakodia amin’ny lalam-pirenena samihafa eto Madagasikara, amin’ny fisian’ny fandraisana andraikitra mivantana eny an-kianja.

• ny firosoana amin’ny famaranana ny tetikasa fanavaozana ny tambajotra ara-pifandraisan-davitra sy ara-kajy mirindran’ny fitantanan-draharaham-panjakana malagasy na « Modernisation des Réseaux de Télécommunication de l’Administration Malagasy (MRTAM) » sy ny fanaraha-maso ary fiarovana ny fitaovana teknika sy informatika ampiasaina amin’izany tetikasa izany.


>>>