Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 24 Aogositra 2022

Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 24 Aogositra 2022. Anisan’izany ny:

• fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fikarakarana fanoratam-pahaterahana faobe ho an’ireo olom-pirenena tsy afaka nisitraka izany tany am-pahaterahana (enregistrement rétroactif des naissances) sy ny fanomezana karapanondrom-pirenena ho an’ireo feno taona.

• fanasana ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara handray anjara amin’ny Fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana sy fampivoarana ny fanabeazana amin’ny ankapobeny manerana izao tontolo izao, izay hatao any New-York Etazonia, ny 16, 17 ary 19 septambra 2022.


>>>