Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 31 Aogositra 2022

Mialohan’ny nandinihana ireo laha-dinika samihafa dia nitondra teny sy nanome toromarika momba ny raharaha nitranga tany Ikongo ny Filohan’ny Repoblika Atoa Andry RAJOELINA, nanamafy ny fiombonam-po sy ny fiaraha-miory amin’ireo mpiray tanindrazana namoy havana, sy ny firariana fahasalamana haingana ho an’ireo mbola tsaboina. Nisy ihany koa ireo fampitana am-bava izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 31 Aogositra 2022. Anisan’izany ny:

• hirosoana amin’ny fanaovana fifanarahana mivantana amin’ireo orinasa hamatsy fitaovana sy hanatanteraka ny asa izay tafiditra ao anatin'ny fanatanterahana ny fametrahana ny « Lamasinina an-tanàn-dehibe » na « Train Urbain » eto Antananarivo izay Tetikasan’ny Filoham-pirenena.

• hamerenana ny sidina mampitohy ny nosy Sainte-Marie sy ny nosy La Réunion, izay hanomboka ny sabotsy 17 septambra ho avy izao.


>>>