Source : Ministรจre de la Santรฉ Publique

๐— ๐—ถ๐˜๐—ผ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐˜‡๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐˜๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—ผ๐—น๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—ถ๐˜‡๐—ฎ๐˜† ๐—บ๐—ถ๐˜๐—ผ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜๐˜€๐—ถ๐—บ๐—ผ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฒ๐˜๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—–๐—ผ๐˜ƒ๐—ถ๐—ฑ-๐Ÿญ๐Ÿต ๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐—ต๐—ถ๐—ฎ๐—ต๐˜† ๐—บ๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฒ๐˜๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ถ๐˜‡๐—ฎ๐˜† ๐—บ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜‡๐—ผ ๐—ป๐˜† ๐˜‡๐—ฎ๐˜‡๐—ฎ ๐—ฎ๐—ป๐—ธ๐—ฒ๐—ต๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ง๐—ฎ๐—น๐—ฒ๐—บ-๐—ฝ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฒ๐˜๐—ผ ๐—”๐—ป๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ด๐—ฎ, ๐——๐—ฟ ๐—ฅ๐—”๐—›๐—”๐—ฅ๐—œ๐— ๐—”๐— ๐—ข๐—ก๐—๐—ฌ ๐—Ÿ๐—ฎ๐—น๐—ถ๐—ฒ.



Nisy ny fepetra noraisin'ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka tamin'ny fitiliana ireo zaza izay ahiahiana fa voan'ny aretina kitrotro ary eo am-piandrasana ny valin' izany ankehitriny.

โš ๏ธ Ny fiovaovan'ny toetr'andro no isan'ny antony iray mampirongatra aretina maro samihafa. Tsara ny manamarika fa ny aretina rehetra dia azo sorohana , azo tsaboina tsara ary manana andraikitra amin' izany olom-pirenena tsirairay.

โœ…๏ธ Entanina araka izany isika hanatona ireo Tobimpahasalamana hahazo ny fitsaboana sahaza sy hialร na amin'ny mety ho tranga na ahiahy sy ny honohono.

โš ๏ธ Tsikaritra ihany koa tato ho ato fa somary niha -nitombo ny tahan'ireo olona izay voatily fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19.

โœ…๏ธ Maro ireo paik'ady izay efa napetraky ny Fitondram-panjakana nahitam-pahombiazana izay mbola mitohy ankehitriny. Isan'izany ny fanapariahana CVO sy CVO +, ny fanajana ireo fepetra sakana toy ny fanaovana arotava amin'ny toerana vory olona, ny fanasana tanana matetika amin'ny rano sy savony, ny fanaovana vakisiny....

Eo ihany koa ny fidinana ifotony izay ataon'ny Mpiasan'ny fahasalamana hanapahana ny rojom-pifandraisana amin'ny alalan'ny "Opรฉration coup de poing".

๐Ÿ“ Ny fitiliana no hany fomba hahafahana mamantatra na mitondra ny tsimokaretina na tsia koa manentana ny tsirairay hanatona avy hatrany ny Tobimpahasalamana vantany vao misy tranga mampiahiahy hisorohana ny tranga misy fahasarotana.

โœ…๏ธ Marihana hatrany fa maimaimpoana ny fandraisana an-tanana ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19.

Source : Ministรจre de la Santรฉ Publique