Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 21 desambra 2022

Nisy ireo fampitana am-bava nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina ny 21 desambra 2022. Anisan’izany :

• ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Filan-kevitry ny Minisitry ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI) tsy ara-potoana, amin’ny 22 desambra 2022.

• ny handefasana ny “Inspection Générale d’Etat” na IGE hanao fanadihadiana faran’izay maika eo anivon’ny CNLS na ny Fandrindrana ny Ady atao amin’ny SIDA, satria fantatra fa misy fandaniam-bola tsy mazava ary tsy tokony natao (dépenses inéligibles) tao anatiny ka takian’ny tahirim-bola maneran-tany (Fonds Mondial) izay mamatsy vola ny CNLS ny hamerenana azy.

• ny hirosoana amin’ny fanisana mivantana ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny fahasalamam-bahoaka.


Mialoha ny fandinihana ny laha-dinika voafaritra dia nitondra teny mikasika ny fisian’ny fanakorontanana politika kasaina hatao eto Madagasikara Andriamatoa Filohan’ny Repoblika.
Tsy mendrika tsy fahamarinan-toerana ny Nosy Malagasy satria efa misy ny fahasahiranana ara-tsosialy sy ara-toekarena vokatry ny krizy nifanesisesy tany ivelany sy teto amintsika ka tsy tokony hampiana trotraka olana ara-politika hanohintohinana ny fitoniana.
Taorian’ny krizy ara-pahasalamana, ny rivo-doza nifanesy, ny olan’ny ady misy any ivelany izay misy fiantraikany amin’ny firenena madinika toa an’i Madagasikara, dia maneho fanohanana sy fahatokisana an’i Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka amintsika, ka fiaraha-mientana hanohizana ny ezaka efa natomboka no tokony atao mba hanarenana ny firenena fa tsy fikononkononana fikorontanana.
Miantso ny fitoniana ho an’ny olom-pirenena rehetra sy ny fahatongavan-tsain’ny mpisehatra politika, ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry rehetra ny Filankevitry ny minisitra hiara-hifanome tanana hanavotra an’i Madagasikara fa tsy sanatria hamotika azy.


>>>