-Nankatoavin'ny Filohan'ny Repoblika sy ny Praiminisitra ny fametraham-pialan'ny Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa Imbiki Herilaza.
-Voatendry hisahana ny Minisiteran'ny Fitsarana Ramatoa Ranampy Gisèle.

Taorian'ny fametraham-pialana nataon'ny Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa IMBIKI Herilaza ny 11 febroary 2022, dia voatendrey hisahana ny Minisiteran'ny Fitsarana vonjimaika ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan'asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy, Ramatoa RANAMPY Gisèle.(loharano: Fiadidiana ny Repoblika)

Famindram-pahefana

Ny talata 15 febroary 2022 dia notontosaina ny famindram-pahefana teo amin'Andriamatoa Imbiki Herilaza sy Ramatoa Ranampy Gisèle.(sary Min Fitsarana)