Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 01 febroary 2023

Nisy ireo fampitana am-bava samihafa izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 01 febroary 2023. Anisan’izany :

• Ny fitokanana ny Foibem-pibaikoana ireo hetsika vonjy aina ao anatin’ny fiatrehana ny ambana sy ny loza ara-boajanahary izay hiandraiketan’ny BNGRC.

• Ny hanaovana ny antso ho an’ireo mpiara-miombon’antoka, firenena vahiny, fikambanana iraisam-pirenena sy fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana ary ny fiarahamonim-pirenena mba handefa mpanara-mason’ny fifidianana na iraisam-pirenena na avy eto an-toerana ihany koa, izay hiasa mandritra ny fanomanana ny fifidianana hifanesisesy hatrehintsika eto Madagasikara manomboka amin’ny faran’ity taona 2023 ity.

• Ny fanendrena ny mpikambana ao anatin’ny Filankevi-pitantanan’ny « Aviation Civile de Madagascar » (ACM).


>>>