Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 08 febroary 2023

Nisy ireo fampitana am-bava samihafa izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 08 febroary 2023. Anisan’izany :

• ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Filoham-panjakana sy lehibena governemanta avy amin’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Vondrona Afrikana ny 18 sy 19 Febroary 2023 ho avy izao.

• ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana akanjo sy boky, izay fanomezana ho an’ny fianakaviana misitraka ny fandaharanasa « titre vert » any Agnarafaly.


>>>