Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 15 febroary 2023

Nisy ireo fampitana am-bava samihafa izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 15 febroary 2023. Anisan’izany :

● Ny fanomezana fe-potoana fanampiny ho an'ireo mpandraharaha lavanila, ka hitarina ho 120 andro ny fetra fahafahana mamerina ny vola avy any ivelany, manomboka amin’ny andro hiaingan’ny entana. Natokana ho an’reo mpandraharaha manondrana lavanila amin’ny sambo ihany anefa izany fanalavana fe-potoana izany.

● Ny hanaovana ho asa maika ny fanamboarana ny trano fonenan’ireo mpianatra 168 tra-pahavoazana, izay napetraka amin’ny toerana vonjy maika, mba hanalefahana ny pitsopitsony ara-panjakana amin’ny tsenan’asa fanamboarana. Nankatoavina ihany koa ny hanomezana teti-bola fanampiny ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony mba ahafahana miroso avy hatrany amin’ny asa.



>>>