ANDRO 1 : 26 Novambra 2020

Fanokafana ofisialy : Mahamasina

Fanomezan-danja ny fitsinjaram-pahefana :

     Nitarika ny fanokafana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Faritra tetsy amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny alakamisy 26 Novambra 2020. Nambarany fa efa tafapetraka izao ny fototra rehetra hanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana ka isan'izany ny fametrahana ny fomba fiasa vaovao izay manome fahefana ny governoram-paritra ahafahan'izy ireo mandray fanapahan-kevitra amin'izay tokony hampandrosoana ny faritra iadidiany. Nambaran'ny Praiminisitra ihany koa fa efa nanokana 1 miliara ariary isam-paritra ny fitondram-panjakana ny taona 2019 ary ampitomboina ho 2 miliara izany ny taona 2020. Fitaovana maro ihany koa no hatolotra ny faritra tsirairay ahafahany manatanteraka ny asa fampandrosoana andrasan'ny vahoaka aminy.
     Hentitra kosa ny Praiminisitra amin'ny hampiasana ireo fitaovana ireo ho amin'ny tombontsoan'ny vahoaka fa tsy ho tombontsoan'olon-tokana.

Vokatra azo tsapain-tanana, miantraika amin'ny fiainam-bahoaka :

     Nambaran'ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa, izay nisolo tena ihany koa ny minisitry ny raharaham-bahiny tamin'ity lanonana ity fa ny hetsika toy izao dia tafiditra indrindra amin'ny fanatanterahana ny velirano nataon'ny Filohan'ny Repoblika dia ny fanomezan-danja ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.
Izao hetsika izao, hoy hatrany ny Minisitry ny Atitany dia natao ho fampahafantarana an'i Madagasikara sy ny vita malagasy amin'ireo firenena any ivelany.
     Tanjona amin'ny hetsika toy izao ny fitadiavana tombontsoa amin'ny fiarahana amin'ireo mpiara-miombona antoka isan-tsokajiny ka ahafahan'ny vahoaka misitraka ny fiakaran'ny fari-piainany.

NTSAY Christian


Premier ministre

Praiminisitra
Lehiben'ny Governemanta

RAZAFIMAHEFA Tianarivelo


Ministre de l'Intérieur et de la Décentralisation

Minisitry ny Atitany
sy ny Fitsinjaram-pahefana

RASOAMAROMAKA Hery


Gouverneur Analamanga

Governora
Faritra Analamanga

ANDRO FAHAROA - ANALAKELY : 27 Novambra 2020

Atrikasa niarahana tamin'ny mpiara-miombona antoka : 

Fiaraha-mientan'ny rehetra :

     Nitohy hatrany ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny faritra. Taorian'ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy natao tao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena tao Mahamasina, dia nitohy tao amin'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra, Analakely, ny fotoana.Tamin'izany no nanaovana ny fiaraha-midinika sy atrikasa niarahana tamin'ireo mpamatsy vola samihafa sy mpandraharaha vonona ny hiara-hifanome tanana amin'ny Faritra Analamanga.
Tamin'izany no nanehoan'ny Governoran'ny faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka, ireo olana maro isan-karazany hita amin'ireo sehatra samihafa sy ny vahaolana heverin'ny Faritra hiatrehana izany. Novoaboasina tao ihany koa ireo asa efa vita sy ireo tetikasa maro kasain'ny faritra Analamanga hotanterahina toy ny :

Navoitrany tamin'izany koa ny fomba fiasan'ny faritra Analamanga amin'ny alalan'ny fidinana ifotony ahafantarana ireo zavatra tena ilain'ny kaominina tsirairay hanafainganana ny fampandrosoana.
Ireo mpamatsy vola kosa tetsy ankilany dia nidera ny ezaka vitan'ny Faritra Analamanga tato anatin'ny fotoana fohy nitantanan'ny Governora ary nangataka ny hamaritana ireo tetikasa maika sy lohalaharana ho fanafainganana ny asa.

LAPAN'NY KOLONTSAINA SY NY FANATANJAHANTENA :
27 Novambra 2020

Fampirantiana ny vokatra sy ny fahaiza-manao : 

Mahavelom-panantenana ny otrikarena eto Analamanga  :

     Tetsy amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina dia nitohy hatrany ny fampirantiana isankarazany, nanehoana ireo karazana vokatra samihafa sy ny tetikasa ary ny fomba fiasa eny anivon'ny Minisitera sy sampan-draharaha isan-karazany. Nisongadina tao anatin'izany ireo vokatry ny haitao avy eto an-tanindrazana. Singanina manokana amin'ireny ny vokatry ny harena ankibon'ny tany izay nahitana ireo vatosoa sarobidy isan-karazany ; ny vokatry ny asa tanana sy taozavatra toy ny zaitra, ny rary, ny tefy, ny hoditra izay tsy mena-mitaha amin'ny vokatra avy any ivelany. Naneho ny fahaiza-manaony ihany koa ireo mpisehatra amin'ny taontrano sy ny asa vaventy, ny fikarakarana lanonana sy ny mpisehatra ara-tsosialy sy ny fizahantany, ny angovo sy ny tontolo iainana.

ANDRO 3  : 28 Novambra 2020

Famaranana ofisialy :

Tontosa ny fanamby napetraka :

     Nifarana ny 3 andro nankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Faritra na ny "Journées Internationales des Régions", andiany voalohany izay nampiantranoin'ny Faritra Analamanga. Tetsy amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina no natao ny lanonana tsotra nefa mendrika namaranana tamin'ny fomba ofisialy ity hetsika ity. Samy nahazo ny fahafaham-po tandrify azy avy ireo mpisehatra rehetra nandray anjara tamin'ity hetsika santatra ity. Nivoitra nandritra izay telo andro izay fa azo atao tsara ny mampandroso ny faritra iray miainga amin'ireo otrikarena misy ao aminy, miaraka amin'ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombona antoka isan-tsokajiny.
Nambaran'ny Governoran'ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka, sady Filohan'ny Fikambanan'ny Governoram_paritra eto Madagasikara rahateo, fa santatra ambavarano ihany ity natao teto Analamanga ity fa hitety ny faritra rehtra izy ity ary hatao isan-taona. Tamin'io fotoana io ihany koa no nisaoran'ny Governora manokana ny Filoha Andry Rajoelina izay nahafahana nanatontosa izao hetsika izao. Nisaorany toa izany koa ireo rehetra nifarimbona tamin'izao Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Faritra izao, nahitana ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ireo minisitera sy fikambanana eto antoerana sy iraisam-pirenena, ny masoivoho samihafa ary ireo mpiara-miombona antoka, mpamatsy vola sy mpandraharaha.


STAFF

Hery RASOAMAROMAKA

Gouverneur de la Région Analamanga

RAVOMANANA Vincent

Secrétaire Général. Administrateur Civil en Chef de Classe Exceptionnelle

RARIVO Herinandrasana

Directeur du Cabinet

RAMIAKATSOAVINA Fanja Vololona

Directeur des Affaires Générales Régionales

RABETOKOTANY Christian Michel

Directeur des Infrastructures et du Développement

RALAY Andrianantenaina Andonirina

Directeur des Affaires Financières et de la Comptabilité

RASOANOAVY Lalasoa Navalona

Personne Responsable des Marchés Publics