Namoy Olomanga ny tontolon'ny politika malagasy, nodimandry ny 07 Jolay 2022 ny Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Boriborintany Voalohany, Antananarivo Renivohitra, ny Dokotera Jocelyn Raymond Michel ANDRIAMANALINARIVO.

Nodimandry teo amin'ny faha-63 taonany, ny Alakamisy 07 Jolay 2022 ny Depiote Dr. Jocelyn Raymond Michel Andriamanalinarivo, Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Boriborintany Voalohany, Antananarivo Renivohitra, natolotry ny Vovonana IRD.

Naneho ny fiaraha-miory ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka :

"Ny tenako sy ireo mpiara-miasa ato amin'ny Faritra Analamanga dia maneho ny fiaraha-miory amin'ny Fianakavian'ny Député voafidy tao Antananrivo I Docteur Jocelyn Andriamanalinarivo noho ny fahalasanany tampoka. Toy izany koa ny fiaraha-miory amin'ny mpiray Antoko aminy dia ny antoko TGV ary ny fianakaviamben'ny Antenimieram-pirenena".