Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 13 Jolay 2022

Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina ny alarobia 13 jolay 2022. Anisan’izany ny:

• hanatanterahana ny lanonam-pahatsiarovana ireo maherifo tamin’ny tolom-panafahana 1947-1948, izay novonoina taorian’ny fitsarana tao Andafiavaratra.

• ny fampidirana ao anatin’ny tetibolam-panjakana foibe (budget général de l’Etat) ny karaman’ny mpiasa misahan-draharaha ara-panjakana sy ara-teknika (Personnel administratif et Technique) eny amin’ireo Oniversite, ireo IST (Instituts Supérieurs de Technologie) ary ny CROUA

• ny fanitarana ny fisokafan’ny sisin-tanintsika indray taorian’ny krizy ara-pahasalaman’ny Covid 19


>>>