Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 20 Jolay 2022

Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina ny alarobia 20 jolay 2022. Anisan’izany ny :

• ny hirosoana amin’ny famatsiam-bola avy amin’ny Governemanta Indiana amin’ny alalan’ny EXIMBANK

• ny fanetsehana ny kitampom-bolan’ny "Fonds National de Péréquation" mba hanampiana ireo kaominina tena niharam-pahavoazana tamin’ny fandalovan’ny rivodoza ANA, BATSIRAI ary EMNATI

• ny fanatanterahana ny fampivondronana ireo atleta malagasy izay manomana ny andiany faha-11 amin’ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana, ho amin’ity taona 2022 ity.


>>>