Namoy Andrarezina ny tontolon'ny mozika malagasy, nodimandry ny 20 Jolay 2022 tao Mahajanga ny mpanakanto RAK ROOTS na Rakotonirina Loïc, rehefa nivahiny 30 taona teto an-tany.
Nodimandry teo amin'ny faha-30 taonany, tao Mahajanga, ny Alarobia 20 Jolay 2022 ny mpanakanto RAK'ROOTS na Rakotonirina Loïc.
Naneho ny fiaraha-miory ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka :
"Ny tenako sy ireo mpiara-miasa rehetra ato amin'ny Faritra Analamanga dia maneho ny fiaraha-miory sy mankahery ny fianakavian'i Loïc Rakotonirina na i RAK'ROOTS noho izao fahalasanany tampoka tany Mahajanga izao.
Rak'Roots dia namana sady efa mpiara-miasa taminay tato amin'ny Faritra Analamanga matetika.
Mandria am-piadanana Rak'Roots."