Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 27 Jolay 2022

Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany Alarobia 27 jolay 2022. Anisan’izany ny:

• firosoana amin’ny fanaovana tolo-bidy iraisam-pirenena hanamboarana ny pasipaorom-pirenena malagasy

• ny firosoana amin’ny dingana fahatelo sy fahaefatra amin’ny fanarenana ireo sekolim-panjakana izay simban’ny rivodoza Batsirai, Emnati, Dumako ary Éloise nifanesy tamin’ny fiandohan’ny taona 2022. Ireo dingana ireo dia hiompana indrindra amin’ny fanarenana ny tafon’ireo sekoly mandritra ny fialan-tsasatry ny mpianatra.


>>>