Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 03 Aogositra 2022

Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina ny 03 Aogositra 2022. Anisan’izany ny :

• ny hikarakarana ny Atrikasam-paritra hamolavolana ny drafi-pirenena «Plan National de Décentralisation Emergente» (PNDE) manerana an’i Madagasikara

• ny famerana ny vidiny farany ambany amin’ny lavanila efa voaomana (vanille préparée) ho 500.000 Ar ny Kilao, ho an’ny taom-pamarotana 2022-2023

• ny fampiharana ny saran’ny herinaratra vaovao ho an’ny indostria, ilay antsoina hoe « TARIF OPTIMA BUSINESS » manomboka amin’ny fandaniana volana Jolay 2022, izay ho hita any anaty taratasy fandaniana amin’ity volana Aogositra ity.


>>>