Nitohy teny Ambohimangakely sy Fenoarivo ny Alarobia 22 Jona 2022, andro faharoa tamin'ny Podium nokarakarain'ny Faritra Analamanga ho fankalazana ny faha-62 taona niverenan'ny Fahaleovantena.
Vahoaka maro be hatrany no tonga nanatrika ny lanonana. Isaorana hatrany ny Ben'ny tanàna sy ny Lehiben'ny Distrikta ary ireo mpiara-miasa toy ny JIRAMA nahafahana nanatanteraka izao hetsika izao ary indrindra ireo mpiara-miasa amiko ato amin'ny Faritra Analamanga, hoy ny Governora.
Nofaranana tamin'ny Afomanga moa ny lanonana rehetra izay isaorana ny Filoha Andry RAJOELINA fa faly ny vahoaka. Hitohy eny Sabotsy Namehana sy Antanikatsaka Itaosy ny Podium karakarain'ny Faritra Analamanga ny Zoma 24 Jona 2022 iarahana amin'ireo mpanakanto avy ao an-toerana sy ny mpanakanto fanta-daza LIANA, MARION, MALM eny Sabotsy-Namehana ary LOLA sy Mr SAYDA eny Itaosy.