Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 15 Jona 2022

Fampitana am-bava maromaro no nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina ny 15 jona 2022. Anisan'izany ny:

• fivoriana faharoan’ny Vaomiera iombonan’i Madagasikara-Frantsa izay hiresahana ny momba ireo nosy kely « Glorieuses, Juan de Nova, Europa sy Bassas da India »

• ny fampitana am-bava momba ny tetiandron’ny Fampianarana ara-teknika sy ny Fanofanana arak’asa, taona 2022-2023, any amin’ireo toeram-pampianarana rehetra izay miankina amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana ara-teknika sy ny Fanofanana arak’asa.

• Noraisina ihany koa ny volavolan-dalàna mametraka ny sori-dalana ankapoben’ny drafi-pampianarana eto Madagasikara.

>>>