Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 11 May 2022

Nanome ireo toromarika hanafainganana ny fametrahana ny drafi-pampandrosoana ny fambolena mba hiantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara tamin'ireo mpikambana eo anivon'ny Governemanta ny Filoham-pirenena nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 11 may 2022. Izany drafitra izany dia hatolotra ny vahoaka Malagasy alohan’ny 26 jona 2022. Teo ihany koa ny fankatoavana ireo fampitana am-bava toy :

• ny fametrahana ny vidiny farany ambany amin'ny lavanila maitso ho 75.000 MGA/kg ho an’ny taom-pivarotana 2022-2023.

• ireo "Nouveaux Projets Emergents" an’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity ho an’ny taona 2022 momba ny fanorenana ny tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera any amin’ny Faritra Sofia (Mandritsara), Analanjirofo (Maroantsetra), Ihorombe (Ihosy).


...