Gouvernora Hery Rasoamaromaka, nitafa tamin'ny mpanao gazety

Tsara ny fampihavanana fa tsy natao hitadiavana seza sy hambolena korontana.

Taorian'ny fihaonana sy ny fanehoan-kevitra nataon'ny mpanohitra tetsy amin'ny Hôtel Carlton ny sabotsy 13 novambra lasa teo dia naneho ny heviny androany 15 novambra 2021, ny Governoran'ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka tamin'ny alalan'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tetsy Ambohidahy. Nofakafakainy tamin'izany ny tatitra momba ny asa maro vitan'ny Faritra Analamanga tato anatin'ny fotoana vitsy sy ny fahitany ny fanehoan-kevitra nataon'ny mpanohitra.

Nambaran'ny Governoran'ny Faritra Analamanga tamin'izany àry fa tokony hiova ny fanaovana politika eto Madagasikara satria raha ny zava-misy ankehitriny dia asesiky ny fankahalana be fahatany sy ny fitadiavan-tseza ireo mpanao politika ireo dia miaraka miketrika korontana sy fitadiavan-tseza amin'ny tetika maloto. .
Mikasika ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, hoy hatrany ny Governora Hery Rasoamaromaka, dia tsara aloha izy raha miaiky sy mifona amin'ny Vahoaka Malagasy noho ny zavatra tsy mety vitany teto amin'ny Firenena.

Ho an'Atoa Rolland Ratsiraka indray, na dia misy aza ny atao hoe famelan-keloka dia na ny mangidy sy ny mafy nampiton-dRavalomanana ny tenany sy ny fianakaviana RATSIRAKA ve dia hohadinoina noho ny tanjon'ny fitadiavana fahefana? Raha milaza izy ankehitriny fa hiara-dia amin'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia noho ny antony inona moa no naharesy lahatra azy indray? Valiny: Noho ny hevitra mitovy hitadiavana fahefana. FARANY. Fambarako hatrany ary averiko matetika ity teny ity fa eo amin'ny Fitondrana no fanaovana ny asa fampandrosoana ny Firenena fa tsy rehefa tsy eo amin'ny Fitondrana intsony ka hilaza fa hatao izao sy izao rehefa miverina mitondra aho.